John 2

1Telo andro taty aoriana, dia nisy fampakaram-bady tao Kanà ao Galilia, ary tao ny renin’i Jesosy. 2Jesosy sy ireo mpianany dia nasaina tamin’ilay fampakaram-bady.

3Rehefa lany ny divay, dia niteny taminy ny renin’i Jesosy hoe: “Tsy manana divay izy ireo.” 4Ary hoy Jesosy taminy hoe: “Ravehivavy, nahoana ianao no mankaty amiko? Mbola tsy tonga ny fotoako.” 5Dia hoy ny reniny tamin’ireo mpanompo hoe: “Na inona na inona lazainy aminareo, dia ataovy izany.”

6Ary nisy siny vato enina teo izay fampiasa amin’ny andro fisasan’ny Jiosy, mahazaka roa hatramin’ny telo metatra avy. 7Hoy Jesosy tamin’izy ireo hoe: “Fenoy rano ny siny.” Ka nofenoin’izy ireo hatramin’ny molony izany. 8Nony avy eo dia hoy Izy tamin’ireo mpanompo hoe: “Manovoza amin’izany ary ento any amin’ny tompon’andraikitry ny fikarakarana.” Ka notanterahin’izy ireo izany.

9Nandraman’ny tompon‘andraikitrin’ny fikarakarana ilay rano lasa divay, kanefa tsy nahalala izay niavian’izany izy (fa ireo mpanompo izay nanovo ny rano kosa nahafantatra). Avy eo dia niantso ny mpampakatra Izy 10ary nilaza taminy hoe: “Ny olona rehetra dia mandroso ny divay tsara aloha izay vao ny divay moramora rehefa mamo izy ireo. Fa ianareo kosa nitahiry ny divay tsara mandrak’ankehitriny.”

11Izany no famantarana voalohany nataon’i Jesosy tao Kanà any Galilia, ary naneho ny voninahiny Izy, ka nino Azy ireo mpianany.

12Taorian’izay dia nidina ho any Kapernaomy Jesosy, ny reniny, ireo rahalahiny sy ireo mpianany ary nijanona tao andro vitsivitsy izy ireo.

13Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, dia niakatra tany Jerosalema Jesosy. 14Nahita mpivarotr’omby, ondry ary voromailala tao an-tempoly Izy, ary nipetraka tao ihany koa ireo mpanakalo vola.

15Noho izany dia nanamboatra karavasy izy ka nandroaka azy rehetra hivoaka ny tempoly, na ny ondry na omby. Nandraraka ny volan’ireo mpanakalo vola Izy ary nananjera ny latabatr’izy ireo. 16Dia hoy Izy tamin’ireo mpivarotra voromailala hoe: “Ento mivoaka lavitra ity toerana ity ireo zavatra ireo. Aoka izay ny fanaovana ny tranon-dRaiko ho toeram-pivarotana.”

17Ary tsaroan’ireo mpianany fa efa voasoratra hoe: “Ny firehetako ny amin’ny tranonao no handevona ahy.” 18Avy eo namaly ireo lohandohan’ny mpisorona Jiosy ka nanao taminy hoe: “Inona no famantarana ho asehonao anay, mahatonga anao manao ireny zavatra ireny?” 19Jesosy namaly hoe: “Ravao ity tempoly ity, fa ho hatsangako anatin’ny telo andro monja izany.”

20Ary hoy ireo mpanapaka jiosy hoe: “Enina amby efapolo taona no nanorenana ity tempoly ity, ka ianao ve hahatsangana azy ao anatin’ny telo andro?” 21Kanefa, momban’ny tempolin’ny tenany no noresahany. 22Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty, dia tsaroan’ireo mpianany fa nilaza izany izy, ary nino ny Soratra Masina sy izany teny nolazain’i Jesosy izany izy ireo.

23Ary rehefa tao Jerosalema Izy tamin’ny andro firavoravoan’ny Paska, dia maro no nino ny anarany rehefa nahita ireo famantarana izay nataony. 24Fa Jesosy kosa tsy nahatoky azy ireo noho Izy nahafantatra tsara azy rehetra, satria tsy nila na iza na iza hanambara aminy ny momban’ny olona Izy, noho Izy nahafantatra ny ao anatin’ny olona.

25

Copyright information for PltULB